Politique

TIM Moramanga Miomana fatratra hampandany an’i Dada


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Mihetsiketsika fatratra ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) manerana ny nosy amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana, anisan’izany ny TIM ao Moramanga.

 

 

 

Nisy ny fitsidihana nataon’izy ireo tamin’ny lalam-pirenena faha-2 ihany nihaonana tamin’ireo mpikambana sy ny mponina nahafahana nitafatafa sy nifampizara vaovao ihany koa, indrindra fa ny fiomanana sy fandaminana asa rehefa raikitra ny propagandy. Anisan’ny niara-dia tamin’izany ny REGTIM sy ireo solontenan’ny mpikambana TIM avy ao Beforona sy Anevoka. Tsy misy tokony hampiahiahy, hoy izy ireo fa azo antoka ny fandresen’i Dada raha amin’iny faritr’i Moramanga iny. Fantatry ny olona tsara ny asa vitan’ny filoha Ravalomanana, hoy ry zareo avy ao amin’ny TIM Moramanga. Hitan’ny olona ihany koa ny zava-nisy nandritra ny tetezamita sy ny fitondrana Rajaonarimampianina ka efa mazava ny safidy ho azy ireo amin’ny fifidianana ho avy io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT