Vonona hanarina ny lesoka tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany ny 7 novambra teo ireo mpanohana an'i Marc Ravalomanana ao Taolagnaro,
Manentana ireo efa nanohana hanamafy ny paika sy ny tetikady hamerenana an’i Dada amin'ny fitondrana izy ireo. Éfa noporofoin'ny Malagasy izany ary tsara hatevenina amin'ny fihodinana faharoa. Tsy kandidan'ny TIM, ny Kmmr ary ny Kmd irery akory i Dada fa kandidan'ny Malagasy rehetra. Mpanarina fa tsy mpandrava araka ny teny filamatra nosafidiany.Hanao izay fomba rehetra hamerenana an'i Dada eo amin'ny fitondrana ny TIM sy ny kmmr ary ny kmd Tolagnaro. Mbola miantso ireo tsara sitrapo ho fanomezana tanana izy ireo satria maro be ny asa miandry. Manentana ireo mpanohana mba hampitombo ny fahavonona sy ny risipo hanarina ny tsy mety, mitaky fandavantena sy fitiavana ary asa ny fanarenana an'i Madagasikara, hoy izy ireo.
Onesime Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.