Tao anatin’ny andro nankalazana ny fetin’ny mpifankatia no nentin’ireo mpikambana teo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara nifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2015, sady nanamafisan’izy ireo fa iray tsy mivaky ny antoko izay tarihin’ny filoha vonjimaika Atoa Velomana Roger.
Notsiahivin’ity farany tamin’izany fa velona sy miaina tsara ny antoko izay tarihin’ny filoha Marc Ravalomanana. Antso avo, araka izany, no nataony ho an’ireo izay mbola any ampielezana mba ho tonga hanabevoho ny antoko ho fitiavana ny tanindrazana iombonana. Tamin-kafaliana tanteraka no nanatontosana ny lanonana tao amin’ny TAMANA Hotel Ihosy ny sabotsy teo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.