Saika niafara tamin’ny savorovoro tamin’ny alahady teo ny fivoriambe nataon’ny TIM Boriborintany faha-5 notontosaina teny Ambohidahy-Ambatomaro
. Natao izy io mba hanendrena ny ho kandidan’ny antoko ao amin’io Boriborintany io izay hanana ny ben’ny tanànany azy mahaleotena. Raha hifanaraka amin’izay ho kandidà tokana izay miaraka amin’ireo olona 3 iray ekipa aminy dia tsy fitovizan-kevitra tanteraka no nitranga teo amin’ny fisafidianana izay hanatanterahana ny fifidianana ifotony na ho tsanga-tanana, na ho latsabato-miafina. Rehefa nasain’ny filohan’ny Foko TIM Analamahitsy izay nitarika ny fotoana niavaka amin’ny adiny roa avy teo amin’ny efitra fivoriana ireo olona mpanohana avy ny ekipa roa tonta dia hita ho nanatombo ireo mpomba ny kandidà Ralambozafimbololona Fetra Razafitsimialona ka nitanjozotra nivoaka ny trano ireo mpomba ny kandidà Rakotomalala Miharisoa izay nifidy ny hanaovana latsa-bato miafina.
Nizara vola ?
Voatsikera ho nampiasa vola nomena olona iry kandidà voalohany ary hoe nitaona olona tamin’ny minibus. Novaliany mazava fa miniana ny tenany fa tsy nizara vola velively taman’olona izany ary fifandaminana teny anivon’ny mpikambana TIM isaky ny fokontany izay nitady mpanohana manokana ny nanao tsipaipaika no nahatonga ireo minibus maro tonga teny Ambohidahy-Ambatomaro fa lavitra rahateo ho an’i Soavimasoandro, Alarobia na Ambohimirary … ny toerana tsy nahafahana nandeha an-tongotra. Tokony ho nosavana mialoha daholo ny karatra TIM tahaka ity asehoako ity, hoy izy, mba nialana tamin’ny ahiahy. Efa voarakitra an-tsoratra ny zava-nisy teo, hoy Atoa Fetra ka apetraka eo ambany fahendren’ny mpanorina ny TIM, ny prezidà Marc Ravalomanana, ny fanapahan-kevitra farany fa ho anay andaniny dia iray ihany ny TIM ka hotohananay marindrano izay kandidà mivoaka eo fa ny handresy sy hahazoana toerana maro amin’ny fifidianana ho avy no tanjona.
Araka ny taratasy manamarina ny olona tonga nanatrika ny fihaonana natao isaky ny FOKOTIM 27 izay hisaoarana tamin’ny fahatongavan’izy ireo, dia tahaka izao manaraka izao ny zava-nisy tamin’ny alahady teo : 775 ireo tonga nanatrika ny fivoriana , ny isan’ny nifidy ny lisitra Razafitsimialona A. Fetra dia 572 olona. Ny isan’ny nifidy ny lisitra Rakotomalala Miarisoa dia 203 olona.Ireo izany no lanin’ny TIM teny amin’ny boriborintany faha-dimy, nefa tsiahivina hatrany fa ny filoha Marc Ravalomanana no tompon’ny fanapahan-kevitra farany.
RTT/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.