Saika niafara tamin’ny savorovoro tamin’ny alahady teo ny fivoriambe nataon’ny TIM Boriborintany faha-5 nototonsaina teny Ambohidahy-Ambatomaro. Natao izy io mba hanendrena ny ho kandidan’ny antoko ao amin’io Boriborintany io izay hanana ny ben’ny tanànany azy mahaleotena. Raha hifanaraka amin’izay ho kandidà tokana izay miaraka amin’ireo olona 3 iray ekipa aminy dia tsy
fitovizan-kevitra tanteraka no nitranga teo amin’ny fisafidianana izay hanatanterahana ny fifidianana ifotony na ho tsanga-tanana, na ho latsabato-miafina. Rehefa nasain’ny filohan’ny Foko TIM Analamahitsy izay nitarika ny fotoana niavaka amin’ny adiny roa avy teo amin’ny efitra fivoriana ireo olona mpanohana avy ny ekipa roa tonta dia hita ho nanatombo ireo mpomba ny kandidà Ralambozafimbololona Fetra Razafitsimialona ka nitanjozotra nivoaka ny trano ireo mpomba ny kandidà Rakotomalala Miharisoa izay nifidy ny hanaovana latsa-bato miafina. Dia izay trangan-javatra izay no natao tao anaty taratasy firaketana ny fivoriana satria voatery natsahatra ilay izy fa tsy nanaiky nanohizana ny fivoriana intsony i Mme Lanto tompon’ny toerana nifamotoanana. Voatsikera ho nampiasa vola nomena olona iry kandidà voalohany ary hoe nitaona olona tamin’ny minibus. Novaliany mazava fa miniana ny tenany fa tsy nizara vola velively taman’olona izany ary fifandaminana teny anivon’ny mpikambana TIM isaky ny fokontany izay nitady mpanohana manokana ny nanao tsipaipaika no nahatonga ireo minibus maro tonga teny Ambohidahy-Ambatomaro fa lavitra rahateo ho an’i Soavimasoandro, Alarobia na Ambohimirary … ny toerana tsy nahafahana nandeha an-tongotra. Tokony ho nosavana mialoha daholo ny karatra TIM tahaka ity asehoako ity, hoy izy, mba nialana tamin’ny ahiahy. Efa voarakitra an-tsoratra ny zava-nisy teo, hoy Atoa Fetra ka apetraka eo ambany fahendren’ny mpanorina ny TIM, ny prezidà Marc Ravalomanana, ny fanapahan-kevitra farany fa ho anay andaniny dia iray ihany ny TIM ka ho tohananay marindrano izay kandidà mivoaka eo fa ny handresy sy hahazoana toerana maro amin’ny fifidianana ho avy no tanjona.
Ntsoavina Evariste
SARY : Atoa Ralambozafimbololona Fetra TIM 5è
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.