Saika niafara tamin’ny savorovoro omaly ny fivoriambe nataon’ny TIM Boriborintany faha-5 nototonsaina teny Ambohidahy-Ambatomaro izay natao indrindra mba hanendrena ny ho kandidà an’ity antoko ity ao amin’io Boriborintany io izay hanana ny ben’ny tanànany azy mahaleo-tena aorian’ny fifidianana kaominaly manaraka
. Raha hifanaraka amin’izay ho kandidà tokana izay miraka amin’ireo olona 3 iray ekipa aminy dia tsy fitovizan-kevitra tanteraka no nitranga teo amin’ny fisafidianana monja izay hanatanterahana ny fifidianana ifotony na ho tsanga-tanana, na ho latsabato-miafina. Rehefa nasain’ny filohan’ny Foko TIM Analamahitsy izaynitarika ny fotoana niavaka amin’ny andiny roa avy teo amin’ny efitra fivoriana ireo olona mpanohana avy ny ekipa roa tonta dia hita ho nanatombo ireo mpomba ny kandidà Ralambozafimbololona Fetra Razafitsimialona ka nitandrozotra nivoaka ny trano ireo mpomban’ny kandidà Rakotomalala Miharisoa izay nifidy ny hanaovana latsa-bato miafina. Dia izay trangan-javatra izay no natao tao anaty taratasy firaketana ny fivoriana satria voatera nahatsahatra teo ilay izy fa tsy nanaiky nanohizana ny fivoriana intsony i Mme Lanto tompon’ny toerana nifamotoanana. Voatsikera ho nampiasa vola nomena olona iry kandidà voalohany ary hoe nitaona olona tamin’ny minibus. Novaliany mazava fa miniana ny tenany fa tsy nizara volana velively taman’olona izany ny tenany ary fifandaminana teny anivon’ny mpikambana TIM isaky ny fokontany izay nitady mpanohana manokana ny nanao tsipaipaika no nahatonga ireo minibus maro tonga teny Ambohidahy-Ambatomaro fa lavitra rahateo hoan’i Soavimasoandro, Alarobia na Ambohimirary sns… ny toerana tsy nahafahana nandeha an-tongotra. Tokony nosavana mialoha daholo ny karatra TIM tahaka ity asehoako ity, hoy izy, mba nialana tamin’ny ahiahy. Efavoarakitra an-tsoratra ny zava-nisy teo, hoy Atoa Fetra ka apetraka eo ambany fahendren’ny mpanorina ny TIM, ny prezidà Marc Ravalomanana, ny fanapahankevitra farany fa ho anay andaniny dia iray ihany ny TIM ka ho tohananay marindrano izay kandidà mivoaka eo fa ny handresy sy hahazoana toerana maro amin’ny fifidianana ho avy no tanjona.
Ntsoavina Evariste
SARY : Atoa Ralambozafimbololona Fetra TIM 5è
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.