Politique

TIM Atsinanana Vonona tanteraka amin’ny fifidianana kaominaly


  • Talata 14 Aprily 2015

Efa nahavita ny dingana rehetra amin’ny hiatrehana ny fifidianana kaominaly tahaka ireo faritra rehetra manerana ny nosy ny antoko Tiako I Madagasikara faritra Atsinanana, hoy ny mpitantana rezionaly maître Rasamimaka Mahefalahy.

 



Nifantoka tamin’ny fisafidianana niainga teny ifotony niaraka tamin’ny fanadihadiana lalim-paka ny fanolorana ireo kandida hitondra ny fanevan’ny antoko naorin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, araka ny resaka fohy nifanaovana tamin’ity tompon’andraikitra mpitantana ny TIM faritra Atsinanana ity. Efa eo am-pelatanan’ny birao politika avokoa ny anaran’ireo olona voatsonga hifaninana ho ben’ny tanàna miaraka amin’ny mpanolotsaina kaominaly amin’ny 31 jolay 2015, raha ny fanampim-panazavana nomeny. Ny mifanohitra tanteraka amin’izay kosa no mitranga ho an’ireo antoko politika sokajiana ho vaventy sy heverina ho matanjaka. Sahirana amin’ny fitadiavana olona maharesy lahatra mantsy, ohatra, ny antokon’ny mpitondra raha tsy mbola mahita marimaritra iraisana kosa ilay vovonana mpiaradia nandritra ny tetezamita, raha ny angom-baovao natao.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT