Miomana mafy amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny Antoko Tim any Antsirabe I. Tsikaritra ho seriny tanteraka ireo mpitarika satria tazana mivezivezy eto an-toerana indray ny lohandohan’ny mpisorona ary tsikaritra ny fivoriana etsy sy eroa.
Nifamory tao amin’ny foibe toeran’ny Tim indray ireo solontena isam-pokontany ny sabotsy 28 martsa lasa teo. Saika nahatonga solontena tao avokoa ireo rehetra nitolona hatramin’izay, izay nivondrona tao amin’ny movansy Ravalomanana Antsirabe, afa tsy ny antoko MFM ihany no tsy niatrika intsony ny fihaonana. Niompana manontolo amin’ny fiomanana izay fiatrehana ny fifidianana ho ben’ny tanàna ny lahadinika izay notarihin’ny solombavambahoaka Michel Ambalavato sy ny senatera teo aloha, notronin’ny Depioten’Antsirabe faharoa José Randrianantenaina. Hatreto, tsy mbola nisy ny fanolorana izay ho kandidà atolotry ny Tim Antsirabe. Re kosa fa misy 9 eo ho eo ny anarana mandehandeha any hisafidianana izay mahafeno ny fepetra handrombaka ny fandresena.Na izany aza dia misy ireo mpitolona sy mpitarika sasany tsy tazana nandritra ny hetsika. Anisan’ny tompo-marika tamin’ity hetsika fihaonana ity moa ny solombavambahoaka Michel Ambalavato, ka nambarany fa hanomboka ny fidinana any ifotony hifandinihana any amin’ireo eny amin’ny fokontany. Mbola vao fanombohana ihany izao hoy izy ka mbola ireo mpitarika aloha no novoriana fa ho avy ny famoriana ireo mpikatroka rehetra mandra-pahatonga ny fifidianana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.