Politique

TIM Ampitatafika Manohana ny ben’ny tanŕna am-perinasa


  • Talata 24 Martsa 2015

Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao ny sabotsy lasa teo ny antoko Tiako I Madagasikara Ampitatafika. Fotoana nifanakalozan-kevitra sy nifampiresahana ny ho avin’ity antoko ity taorian’ny 7 taona nanginana. Velona sy matanjaka ny TIM Ampitatafika miaradia amin’ny filoha mpanorina

 
 Ravalomanana Marc, araka ny feo heno teny an-toerana. Hetahetan’ireo mpikambana tonga teny Antanimenakely ny mbola hanohana ny ben’ny tanàna am-perinasa Ramparaoelina Rado amin’ny fifidianana kaominaly izay voaasa manokana nandritra ny fihaonana. «Nitondra fampandrosoana ho an’ireo fokontany 13 mandrafitra ny tanànan’Ampitatafika izy ka tianay ny hanohizana ireo ezaka efa hita sy azo tsapain-tànana», hoy ireo mpikambana FokoTim. Manaiky sy mbola vonona ho kandida hitondra avo ny fanevan’ny TIM moa ny ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado. Nambarany mazava ihany koa anefa fa manaiky tanteraka izay fanapahan-kevitry ny rafitra an-tampony ny tenany. Maniry ny fanamafisana ny firaisankinan’ireo mpikambana manoloana ny teti-dratsy fampizarazarana ny antoko kosa ity filoha mpitantana ny KomTim Ampitatafika ity.

Ramano F.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT