Hisaorana an’i Dada Ravalomanana ny fanapahan-kevitra noraisiny tamin’ny sabotsy lasa teo nampitsahatra ny hetsiky ny kianjan’ny Finoana Magro, hoy ny CT teo aloha Rasoamalala Brenda, fa toe-javatra hitarika ny fampihavanana ny firenena izany ary noho izy ekena ho raiamandreny dia tsy maintsy ekena ny teniny.
Mankahery ireo mpiara-nitolona rehetra izahay, indrindra ireo naharitra hatramin’ny farany teto sy ireo any amin’ny faritra, fa ny tolona tsy mbola mifarana hatreto ary ny filoha mpitarika ny ankolafy tsy manadino antsika fa misy fandrindrana mbola atao. Mampahatsiahy ny any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka manokana ny tenako, hoy ity anisan’ireo mpitarika ny TIM any an-toerana ity, fa ho tanterahina rahampitso sabotsy ny fifidianana ifotony na “préliminaire” ho an’ireo ho kandida ho ben’ny tanàna TIM any Ambatondrazaka ambonivohitra izay ho tarihan’ny filohan’ny ankolafy Ravalomanana any an-toerana. Tokony efa hiomana dieny izao koa ny any amin’ireo kaominina ambanivohitr’Ambatondrazaka hanolotra ireo olona ifotony any aminy avy hiatrika tsy ho ela izany “préliminaire” izany koa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.