Politique

Tiko Tanjombato Manangasanga ny fisokafany


  • Alatsinainy 30 Martsa 2015

Efa manomboka misy endrika ny Tiko eny Tanjombato toerana nisy Magro ihany koa, rehefa nokarakaraina in-droa sabotsy izao taorian’ny nandoran’ny mpanongam-panjakana azy tamin’ny 26 janoary 2009.

Ny sabotsy teo dia tonga maro nanampy an’i Lalao Ravalomanana nanadio ity toerana ity ny mpiasan’ny vondron’orinasa Tiko, ny tanora Tiako i Madagasikara sy ny mpitolona tao amin’ny Magro Behoririka. Velom-bolo ny maro. Amin’izy ireo dia taratry ny ho fisokafan’ny orinasa Tiko izao ary fanatanterahana ny tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha tonga namarana ny tolona tao amin’ny Magro Behoririka izy tamin’ny 21 martsa 2015 ka nilaza fa “hiasa amin’izay isika”. Nisaotra ny fifanomezan-tanana i Neny ary nanafatra fa tsy hanadio sy hikarakara ety Tanjombato ny rehetra amin’ny sabotsy izao noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Paska. “Aleo manao fety sy mivavaka avokoa dia hotohizana indray ny sabotsy manaraka”, hoy i Neny.

RHR


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT