Niainga tao Ambanja, nitety ny Distrikan’Antsiranana II, nihazo an’Ambilobe, tao Antsiranana I ary nipaka tany Nosy-Be.
Tafatsangana avokoa ny rantsamangaikan’ny Tiako I Madagasikara eny anivon’ireo Distrika mandrafitra ny Faritra DIANA na ny DisTIM, efa voatily avokoa ihany koa ireo kandida Ben’ny tanàna 64 miaraka amin’ireo mpanolotsaina. Vonona tanteraka ny Tiako I Madagasikara any DIANA hifaninana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, ary vonona handrombaka fandresena, araka ny fahitana ny fahavononan’ireo mpikambana izay velom-panantenana fa mbola misy sy miaina ny antokon’ny filoha Marc Ravalomanana. Maro tamin’ireo olona efa nitsoaka an-daharana ka niantsampy tamin’ireo antoko teraka tao anatin’ny tetezamita ihany no niverin-dalana. Atoa Laou Po Wilfird izay nametrahan’ny filoha mpanorina ny antoko fitokisana hitanatana ny birao nasionaly lefitra any DIANA no vy nahitana sy vato nananana ny famohazana sy fanetsiketsehana ireo mpikambana. Miaiky ny rehetra fa matanjaka ary manana mpitarika atokisana Atoa Marc Ravalomanana. Eritreretina ho amin’ny herinandro ambony iny no hanaovana ny fihaonamben’ireo kandida sy ny filohan’ny DisTIM rehetra ao Antsiranana, araka ny nambaran’ny filoha lefitra Laou Po Wilfird hatrany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.