Politique

Tiako i Madagasikara Narirarira indray ao Miarinarivo


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Taorian’i Vakinankaratra dia hanao kongresim-paritra ao Miarinarivo indray ny Tiako I Madagasikara faritra Itasy amin’ity anio ity.

 

Fantatra fa narirarira hatramin’ny farany, tsy nomena fahazoan-dalana ny antoko hanatanteraka izany amin’ny toerana efa nomanina hanaovana ny fihaonana. Mena ambanin’ny mena, matahotra ny toerany ny solontenam-panjakana. Fantatra koa anefa fa misy tale jeneralina orinasam-panjakana ao ambadik’izao antsojay amin’ny endriny samihafa atao amin’ny Tiako I Madagasikara any Itasy izao, noho izy manohana kandida maromaro amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy io. Na eo aza anefa izany dia tsy hihemotra fa dia hotanterahina anio ihany ny kongresim-paritry ny antoko saingy nafindra toerana, ary toy ny depiote hanao tatitra sy fifampiarahabana noho ny asaramanitra no niantsoana ny mpizaika. Hitarika ny Birao foibe any an-toerana rahateo ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana. Aorian’Itasy dia hiatrika ny kongresiny koa ny TIM Analamanga, izay hatao ny sabotsy 4 jolay izao eny Anosiavaratra – Avaradrano eny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT