Anisan’ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny fihaonan’ireo birao politikan’ny antoko Tim ny hanatanterahana ny kongresim-paritra mialoha ny fifidianana
. Raha ny tatitra nataon’ny sekretera jeneralin’ny antoko, atoa Donat Andriamahefamparany dia hanomboka ny taptapaky ny volana jona any izany ka hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay, mialoha ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Fantatra tamin’izany fa ireo filoha mpanampy isam-paritra no mikarakara ny hetsika fa ny filoha nasionalin’ny antoko Atoa Marc Ravalomanana no mitarika izany. Tafiditra ao anatin’ny sata mifehy ny antoko politika moa ny fanaovana ity kongresim-paritra ity ka ho fanatanterahana izany no antony mba hampirindra ny asa sahanin’ny birao politika, izay hialohavana ny fomba hanendrena izay ho Mpikambana eo anivon’ny ny “College des conseillers”
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.