Iray andro mialohan’ny fisokafan’ny fanaterana ny antontan-taratasy amin’ny fifidianana kaominaly dia nivory teny Faravohitra, omaly tolakandro, ny mpitarika ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), antoko Zanak’i Dada sy ireo antoko politika samy hafa tao amin’ny ankolafy Ravalomanana, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka TIM, te hiasa hiaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana.
Hiasa miaraka
Vonona tanteraka hiatrika ny fifidianana ho avy izao izy ireo. Nanome toromarika sy paikady hiatrehana izany fifidianana izany ny filoha Marc Ravalomanana. Hatambatra ho iray ireo antoko maro ireo ary hanana kandida manerana ny Nosy ny antoko TIM. Vonona tanteraka hiatrika ny fifidianana, araka izany, ny Tiako I Madagasikara ary efa manana ny paik’ady hiatrehana ny fampielezan-kevitra. Mbola tena manana ny maha izy azy ity antoko ity ary anisan’ireo goavana eto Madagasikara sy tombanan’ny maro fa hahatafiditra ben’ny tanàna maro ary tsara toerana hiverina eo amin’ny fitondrana amin’ny 2018.
Antoko manana fandaharanasa mazava
Efa nandray lesona tamin’ny lasa ny TIM, mahafantatra tsara ny zava-misy sy ny fahasahiranan’ny vahoaka ary ny zavatra takiana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mbola tena tsara fototra hatrany ambanivolo rehetra any ity antokon’i Marc Ravalomanana ity, manana mpanao politika sy teknisianina amin’ny sehatra maro. I Marc Ravalomanana sy ny TIM ihany koa no hany nanana fandaharan’asa matotra, mifanaraka tsara amin’ny filan’ny Malagasy sy ny zava-misy manerana izao tontolo izao, ny MAP moa no resahana eto. Maro ny olona mbola tena mahatoky an’i Dada sy ny TIM ary efa hita taratra fa mikorapaka amin’izany ny HVM, hita taratra izany tamin’ny kiribiby nataon’ny fitondram-panjakana hanova ny sata manokan’Antananarivo Renivohitra. Miavaka ny TIM raha ampitahaina amin’ireo antoko na vondrona politika misy ankehitriny, noho izy tena mijoro amin’ny foto-kevitra sy ny fandaharanasa tokoa fa tsy sanatria mampiasa fahefam-panjakana sy mizara vola mba handresen-dahatra ny mpifidy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.