Ny Tiako I Madagasikara irery no hany antoko haingam-piasa ka sahy nanambara ampahibemaso omaly fa vonona amin’ny fifidianana rehetra izay ho avy eo ary efa nisy ny fitsirihana mialoha ireo kandida.
Tsy mora velively ny asa natao tamin’ny nisafidianana ireo kandida ben’ny tanàna ireo, hoy i Solofonantenaina Razoarimihaja filoha nasionalin’ny TIM saingy vita ihany izany rehefa matotra ny fomba fiasa ary mipetraka ny fifampatokisana. Ny fifandaminana anaty sy ny fifampiresahana amin’ireo mpiara-dia aminy no asa voalohany nataon’i Marc Ravalomanana vantany vao tafaverina teto Madagasikara izy. Nisy ny fomba fiasa nahitsy, nisy ny fomba fijery tsy maintsy nampitoviana ary nandraisana lesona ny lasa. Tsy mahagaga raha haingana ny fifandaminana teo anivon’ny TIM sy ny fanendrena ireo kandida. Tsikaritra ihany koa fa manomboka miverina tsikelikely ao am-bala ireo olon’ny TIM teo aloha na ny mpiara-dia aminy hatramin’ny 2001 mba ho fiatrehana ny fifidianana rehetra izay ho avy eo sy ho fanatanterahana ny asa fampandrosoana ny firenena. Mazava ny resaka eto fa antoko tena matanjaka ary anisan’ireo nahay nikaroka vahaolana haingana handaminana ny ao anatiny ny Tiako i Madagasikara ary tombanan’ny maro sahady fa manana tanjona hampandany filoham-pirenena amin’ny 2018.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.