Politique

Tiako i Madagasikara Efa manomana ny 2018 !


  • Zoma 22 Mey 2015

Tonga miaraka no fanombohana, miasa miaraka ny fahombiazana ! Teny filamatra nahafantaran’ny rehetra an’Atoa Marc Ravalomanana izany ary io ihany koa no banjinina mandritra ny kongresin’ny antoko Tiako I Madagasikara anio sy rahampitso eny amin’ny Magro Tanjombato.

 

Mpizaika 3 500

3 500 ny mpikatroka avy amin’ny Tiako I Madagasikara manerana ny nosy handray anjara amin’ity kongresy ity, ka voasolotena ao avokoa ny kaominina rehetra manerana ny nosy. Ho hita ao daholo ihany koa ny rantsamangaikan’ny TIM tahaka ny vehivavy TIM sy ny Jeune TIM araka ny fanazavana azo halina avy amin’ny mpikarakara. Lanonam-panokafana ny anio maraina hatomboka amin’ny fanompoam-pivavahana. Hiroso amin’ny asan’ny antoko avy eo dia ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ity antoko natsangan’Atoa Marc Ravalomanana ity. Aorian’izay, araka ny fanazavana voaray ihany, dia hiroso avy hatrany amin’ny asam-baomiera handinihana ny fiainan’ny antoko sy ny andraikiny manoloana ny fiainam-pirenena, indrindra moa fa ny fifidianana ho avy izay tsy maintsy hatrehana. Fa ny tena mahaliana ny rehetra dia ny mety ho firafitry ny birao politika nasionalin’ny TIM hivoaka amin’ity kongresy ity. Hotazonina ve ireo mpitantana amin’izao fotoana sa hisy ny fiovana goavana ? Araka ny resaka mandeha tato ho ato izay mantsy dia mety hiverina hitantana ity antoko noforoniny ity Atoa Marc Ravalomanana, izy rahateo efa tsy filoha am-perinasa intsony ka noho izany afaka tsara mitarika antoko politika.

Tanjona 2018

Antoko goavana ny TIM, efa nilaza fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra. Tsy tongatonga ho azy izao kongresy izao raha ny hevitry ny mpanara-baovao politika fa efa midika ho fiomanana sahady amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ka hiverenan’ity antoko ity indray eto amin’ny fitondrana. Mazava ny tanjona : tsy maintsy mandresy matoa mifaninana. Tahaka izay mantsy ny filôzôfian’Atoa Ravalomanana. Raha ny fandinihana azy ihany koa dia tsy misy ny antoko na vondrona politika matanjaka sy manana olona, manana fototra tahaka ny TIM ka afaka hieritreritra hitantana ny firenena satria efa atao afaka 3 taona ny fifidianana filohan’ny repoblika.


RTT

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT