Am-periny amin’ny fifantenana ireo kandida hitondra ny fanevan’ny antoko amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina hatao amin’ny 17 jolay 2015, ny Tiako i Madagasikara
. Mazava ny toromariky ny filoha Marc Ravalomanana sy birao nasionaly tarihin’ny filoha Razoarimihaja Solofonantenaina mikasika azy io : ny COM-TIM sy ny FOK-TIM no mifidy izay ho kandida, mandritra ny fivoriambe karakarain’izy ireo. Manaraka izany toromarika izany an-tsakany sy an-davany ny mpikatroka Tiako i Madagasikara eny Avaradrano ary milaza fa hiray hina hiaro ny antoko manoloana ny mety ho fanararaotana ataon’ny sasany. Hanao izay hampandany ny kandida lanin’izy ireo eny ifotony izy ireo. Na izany aza dia manaiky izy ireo, fa ny filoha Marc Ravalomanana sy ny birao nasionalin’ny Tiako i Madagasikara ihany no tompon’ny teny farany amin’ny olona hatolotra ho kandida amin’ireo Kaominina 16 mandrafitra ny Distrikan’Avaradrano.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.