Miavaka amin’ireo antoko marobe mitsangana eto Madagasikara ny Tiako I Madagasikara naorin’ny filoha Ravalomanana Marc.
Mazava hatrany am-piandohany mantsy ny foto-kevitra nijoroany dia ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Nahavita zavatra betsaka rahateo teto amin’ny firenena ny antoko TIM ka sarotra ny hanadinoan’ny Malagasy izany, hoy Randrianomanamahaleo Narcisse avy amin’ny Sakaizam-bahoaka Behoririka. Niezaka namafa ireo ezaka sy asa fampandrosoana nentin’ny fikambanana politika Tiako Iarivo niofo ho antoko politika miparitaka manerana ny nosy ity ihany ny fitondrana tetezamita saingy nandamoka izany. Manohy ny fanapenam-bava ihany koa ny antokom-panjakana ankehitriny saingy toa vao mainka miroborobo sy tsy mety maty am-pon’ny olona. Voaporofo izao fa tena matanjaka sy tsy lefy laza ny antoko Tiako I Madagasikara. Tombontsoan’ny HVM ny miara-miasa amin’ny TIM, hoy ity mpandinika ny raharaham-pirenena ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.