Mba ahafahana manara-maso akaiky sy mamaritra ny vola ampiasaina mandritra ny fifidianana dia tsy maintsy manendry ny mpitambolany ny kandidà tsirairay avy, araka ny voalazan`ny lalàna.
Mbola mitarazoka amin`izao fotoana ny fanendrena azy io, hoy ny filoha lefitry ny CENI Madagascar, Thierry Rakotonarivo. Miafara amin`ny fanasaziana ny tsy fandefasana ny anaran`ireo mpitambolan`ny kandidà eo anivon`ny CENI. Hatreto, 10 ireo kandidà efa nanendry kanefa mialoha ny fampielezan-kevitra no tsy maintsy andefasana azy. Mahakasilka ireo olona hitantana ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy indray, nanazava ny tenany fa hisy fampiofanana hanomboka ny 18 septambra ho avy izao ka hitety ny kaominina 95 ny olon`ny CENI hampiofana azy ireo. Efa miroso hatrany ny CENI amin`ny fiatrehana fifidianana satria efa manomboka mandray ireo fitaovana ilaina amin`ny fifidianana ka ho vory amin`ny 16 oktobra ary hatonta amin`ireo biraom-pifidianana ny 19 oktobra ho avy izao. Ho hentitra ny CENI mahakasika ny ny fampitovian-danjan`ireo kandidà eny amin`ireo haino aman-jery na miankina na tsy miankina. Ho an`ny haino aman-jerim-panjakana dia efa nihatra nandritra ny vanim-potoana nivoahan`ny lisitry ny kandidà ny tokony hanajany ny fehin-kevitra ara-drariny sy ny fifandanjana. Manomboka ny 8 oktobra ho avy izao kosa no hampihatra ny fehin-kevitra ireo haino aman-jery tsy miankina. Hanara-maso akaiky ny fe-potoam-pitenenana sy fe-potoam-pisehoan`ny kandidà iray ny CENI. Raha misy kandidà mitory, raha misy ny tsy fanarahan-dalàna hita na olona mety hametraka fitarainana dia hanao fanadihadiana ny CENI, araka ny voalazan`ny andininy 240 amin`ny lalàna mifehy azy ka hanao fampitandremana izy. Raha mbola mitohy ny tsy fanarahan-dalàna dia hampiakatra ny raharaha eny anivon`ny Fitsarana ka ady amin`ny fitsarana no miadidy ny sazy ho an`ilay haino aman-jery voakasika, hoy hatrany ny fanazavana
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.