Vao tsikera mafy ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) manoloana ny fizotran`ny fifidianana Filohan`ny Repoblika ho avy izao. Biletà tokana, lisim-pifidianana,biraom-pifidianana, fanaraha-maso…
isan`ny ambetin-dresaka tato ho ato. Miroso hatrany foana ny CENI amin`ny fametrahana ny lamina rehetra hiantrehana izany fifidianana izany, hoy ny filoha lefitrin`ny CENI, Thierry Rakotonarivo. Momban`ny biletà tokana, ny CENI dia mampiofana an`ireo fiarahamonim-pirenena amin`ny fampiasana azy ity vaomiera ity ary vao herinandro no tonga izany bileta tokana. Ny fiarahamonim-pirenena, araka izany, no tomponandraikitra ny fanabeazan`ny olona miaraka amin`ny antoko politika sy amin`ny fanaparitahana ireo biletà tokana hoy hatrany ny fanazavàna. Mahakasika ny lisi-pifidianana indray, notsipihan`ity filoha lefitra ity fa tsy misy lisim-pifidianana tonga lafatra fa tsy maintsy misy foana ny indro kely saingy kosa azo hanatanterahana fifidianana tsara io lisi-pifidianana io. Nanafatra “audit international” ny CENI ary nankatoavin`ny Vondrona iraisam-pirenena ny Frankofonia (OIF) izany lisi-pifidnana izany, izay voalaza fa ara-dalàna. Hetsika an-tsitrapo miankina ny fitiavan-tanindrazan`ny tsirairay no mandeha misoratra anarana ao anatin`ny lisitra ny fisoratana anarana eto amintsika fa tsy terena hoy Thierry Rakotonarivo. Ny lalàna kosa no mametra fa tsy maintsy mikatona ny lisitra isaky ny faha 15 n’ny volana mey na dia satry aza mbola misokatra ny lisi-pifidianana hoy ny fanazavana. Mahakasika ny taham-pifidianana, hanentanana farany izay betsaka ny CENI Madagascar ary mikasa hanatratra 70% ny tahan’ny mpifidy handatsam-bato raha latsak`izany hatramin`izay.
Foibe mpanara-maso
Hajoro ato ho ato ny « centre d`accréditation » na foibe mpanome alalana handrindra ny resaka fanaraha-maso amin’ny fifidianana eo anivon`ny CENI. Io foibe io no handray ireo dosie rehetra an`izay hangataka hanao fanaraha-mason`ny fizotran`ny fififidianana eto amintsika sy hanome ny vaovao ho an`izay hanao fanaraha-maso. Io foibe io ihany koa no hanome “agréement” na fahazoan-dalana hanao fanaraha-maso sy hanoro ireo toerana tena mitoka-monina. Ilaina izay fandaminana sy fandrindrana izany hoy ny CENI. Maro tokoa ireo mpanaraha-maso vahiny tonga eto amintsika ka handrindra ireo toerana ireo ny CENI saingy kosa tsy handidy azy ireo. Nanamafy kosa ny CENI fa hiezaka hanasa ireo mpanara-maso vahiny betsaka indrindra mba ho avy eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.