Politique

Thierry Rakotonarivo -CENI Afaka roa andro no feno ny 50%-n`ny voka-pifidianana


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Manoloana ireo fitarainana mahakasika ny fizotran`ny fifidianana ny 19 desambra lasa teo dia nanao fanmbarana ny filoha lefitrin`ny CENI, Thierry Rakotonarivo,

 

 

 

 mahakasika ireo pitsopitsony tokony arahina amin`ny fametrahana fitoriana na fitarainana manoloana ireo mety tsy fanarahan-dalàna. Miisa telo ny karazana tsy fanarahana-dalàna amin`ny fifidianana: voalohany,  ny tsy fanaran-dalàna izay hitan`ny rehehtra mandritra ny fampielezan-kevitra; faharoa, tamin`ny andron`ny latsa-bato ary farany, ireo izay mety ho hita ny rehetra na tsy fankatoavana ny voka-pifidianana. Raha misy kandidà na olona nifidy manana eritreritra hitory amin` ireo tranga roa voalohany dia tsy maintsy folo (10) andro farafahatarany, izany hoe hatramin`ny 29 desambra ho avy izao, eny anivon`ny fitsarana mahefa. Raha toa kosa fitoriana amin`ny mety tsy ho fahafaham-po amin`ny voka-pifidianana dia roa (2) andro aorian`ny hamoahan`ny CENI ny voka-pifidianana feno  no fotoana farany hametrahana izany eny amin`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mihazakaza ny famoaham-bokatra raha oharina amin`ny fihodinana voalohany, ka nilaza i Thierry Rakotonarivo fa ho tratra anio na rahampitso ny 50%-n`ny voka-pifidianana avy amin`ireo birao fandatsaham-bato manerana ny nosy. Ny vokatra eto amin`ny faritra Antananarivo no betsaka indrindra ary manaraka ny an`i Fianarantsoa. Heverina, hoy izy, fa malalaka tsara ny hahatrarana ny vanim-potoana hamoahana izany mialoha ny faran`ny taona. Mahakasika ny fomba fiasan`ny CENI dia nanamarika hatrany ity filoha lefitra ity fa ny fampitahana ny vokatra dia manaraka ny voalazan`ny lalàna, manaraka ny fepetra tsy miandany sy tsy mitanila ary manaraka ny mangarahara ny fampitahana ny vokatra sy ny fikirakirana ny vokatra eny amin`ny CENI. Azo jerena eny amin`ny tranonkala sy arahina amin`ny haino aman-jerim-panjakana ireo vokatra vonjimaika. Tsy tokony hamoaka voka-pifidianana feno kosa ny amin`ny sehatra hafa fa afaka mitatitra izany isaky ny biraom-pifidianana ary tsy vokatra feno nasionaly. Ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana dia manao ny fomba rehetra mba ho ara-dalàna sy mangarahara ary mampandray anjara an`ny rehetra. Eny anivon`ny CENI foibe sy ny SRMV (Section de recensement des materiels de vote) ny mason`ny olom-pirenena tsirairay amin`izao.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT