Politique

Tetikasan’ny HAFARI Mijapy ny fitondrana ?


  • Alarobia 10 Desambra 2014

Lasa ray mpiahy ny tetikasa fifindra-monina tanterahin’ny fikambanana HAFARI Malagasy any Soaniedanana Ankazobe ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Kolo Roger. Omaly no nampahafantarany izany tamim-pomba ofisialy izay notsindrian’ny filohany manokana fa hanaovan’izy ireo fanamby mihitsy mba ahitan’ny rehetra ny asa vitany

Anisan’izany ilay “Vitrine fihariana 2015” izay efa tanterahin’izy ireo. Ho hita ao anatin’io vitrine io avokoa ny fambolena soja, ny katsaka, ny voanjobory, ny voanatsindrana, ny poivre rouge raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fiompiana trondro, ny akoho fakana nofony… Fianakaviana maro no efa milofo amin’ny fanatanterahana izany amin’izao, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.  Tsy latsa-danja amin’ireo ny fananganana trano, indrindra fa ho an’ireo niharan’ny antsojay vokatry ny ady tany. Mikasika ity farany manokana dia nanambara ny Hafari fa manomboka mirongatra indray izy io eto amintsika saingy na izany aza efa mijery ny lalana mikasika izany miaraka amin’ny ONF SIFsy ny minisitera izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT