Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny fikambanana HAFARI Malagasy hahafahana mampandroso sy mampivoatra ilay tetikasa fifindra-monina karakarainy any Soaniedanana, lalam-pirenena fahefatra
. Hosantariny amin’ny fihaonana amin’ny masoivohon’i Grande Bretagne miasa sy monina indray izany anio izay mbola hitohy any amin’ny masoivohin’i Amerikanina ny zoma ho avy izao. Tsy latsa-danja amin’ireo ny banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na BAD izay hihaona amin’ny filohan’ny fikambanana mivantana amin’ny alalan’ny masoivohon’i Algerie eto amintsika ihany koa. Azo lazaina ho fahombiazana tanteraka ity tetikasa ity izay irian’ny maro no hiitarany manerana ny Nosy. Mikasika ny fametrahana ny tobin-janaparitry ny zandarimariam-pirenena any an-toerana moa dia fantatra fa efa nankatoavin’ireo ambaratongam-pahefana rehetra ny hahafahana mametraka izany ho tombontsoan’ny mponina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.