Tanora miisa 2000 manerana ny faritra 22 no handray anjara amin’ny Fihaonambe nasionaly sy ny Diabe ho fandraisana andraikitra amin’ny fifidianana izay hotanterahana ny 16 sy 17 oktobra 2018 ho avy izao.
Ny 50%-n`ny Malagasy dia tanora eo anelanelan`ny 18 hatramin`ny 35 taona avokoa ka ny paik`ady apetraky ny tetikasa FANOA dia miasa amin`ny alalan`ny fikambanana tanora satria sarotra ny hanentana izay 50%-n`ny mponina fa kosa ilay fikambanana no tokony hiasa amin`izany, Anisan’ny lokanady goavana hatrehana amin’ity fifidianana ity ny fampiakarana ny fandraisana anjara ny tanora amin’ny fifidianana ka fotoana izao andraisan’izy ireo andraikitra sy hanaporofoany ny lanjany manoloana ny firenena satria izy ireo no tompon’ny hoavy, hoy i Erico Randriarimalala Tompon’andraikitry ny tanora ao anatin`ny tetikasa FANOA. Fanentanana, fanabeazana ary fampidirana ny olona hiditra amin`ny sehatry ny fanaraha-mason`ny fififidianana no tanjona amin`izany hetsika izany satria tsy an`ny mpanao politika irery sy ny fanjakana ny fifidianana fa misy andraikitry ny olom-pirenena ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana. Ny vokatra andrasana amin’io hetsika io dia: ny fanaovana sonia ny tahirinkevitry ny tanora (memorandum) izay mamaritra ny firotsahany amin’ny dingam-pifidianana rehetra ary ny fiakaran’ny sahalan’isa fandraisaina anjara izay atao eny amin`ny IFM Analakely ny 16 oktobra izao. Miantso ny fikambanana tanora rehetra hiara-hisalahy amin`ny fanabeazan`ny tanora mahakasika ny fifidianana. ka izany no hahasoniavana ny “memorandum de la jeunesse sur l`engagement de processus électoral” amin`io kongresy. Ny 17 oktobra indray hanatanterahina ilay diabe miainga eo amin’ny ANS Ampefiloha ary hipaka any Mahamasina. Nanao antso avo an`ireo tanora Malagasy, i Erico Randriarimalala, tomponandraikitrin`ny tanora ao anatin`ny tetik`asa FANOA, handray andraikitra mba hampilamina ilay sampandraharaham-panjakana mba hampisy mangarahara anaty fifidianana nandritra ny atrikasa no tanterahina omaly tetsy Ambatonakanga.
J.Mirija sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.