Politique

Tetibolam- panjakana 2019 Hitentina 9 014 miliara ariary ny fandaniana


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Tolo-dalàna iray sy volavolan-dalàna valo no vonona hodinihana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka efatra amin`ireo no vary mangatsiaka.

 

 

 Andrasan`ny maro ilay hifehy ny tetibolam-panjakana 2019 izay ivon`ny fivoriana ara-potoana faharoa. Heverina ho 9 014 miliara ariary ny fandaniam-bola raha 4 876 miliara ariary tamin`ity taona 2018 ity. Ankoatra izay, vinavinaina ho 11% ny tsindrin-ketra na fampidiran-ketra amin`ny taona 2019. Mbola voarakitra ao anatin`ny tetibolam-panjakana 2019 ny fatiantoka raha 3,3% izany. Ezahana ho latsaky ny 4,7% izy io. Tafiditra ao anatin ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin`ny 2019 ihany koa ny fanampiana na “subvention” ho an`ny JIRAMA saingy hihena izany amin`ny taona ho avy satria 114 miliara ariary raha 300 miliara tamin`ity taona ity. Tsy tafiditra ao anatin`ny tetibolam-panjakana 2019 kosa ny vola ampiasaina eny anivon`ny kaominina, araka ny voalazan`ny lalàna satria hafa ny arofenitra ho azy ireny. Voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana fa ny governemanta ihany no afaka manao volavolan-dalàna mitondra ny tetibola. Ny minisitera tsirairay dia manao ny volavolana tetibola ka haravona ho iray miaraka amin`ny minisiteran`ny vola izany dia avy eo akarina any amin`ny governemanta izay mamoaka didim-panjakana. Tsy tetibolan`ny minisitera intsony, araka izany, no horesahina fa an’ny governemanta. Ny lehiben`ny governemanta rahateo no nomen`ny vahoaka fahefana hampiasa ny volam-bahoaka. Raha ny tsilio-tsofina, dia ny faraparan`ny volana Oktobra no ho dinihana io tetibolam-panjakana 2019 io.  Andrasana ihany koa ny fandaniana ny lalàna mahakasika ny famotsiam-bola, izay loza mitatao ho an`ny firenena raha toa ka tsy holanian`ny eo anivon`ny Antenimieram-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT