Politique

Tetibolam-panjakana 2019 eny Tsimbazaza Hanomboka anio alakamisy ny asam-baomiera


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Tsy nety handinika ny volavolan-dalàna mirakitra ny LFI 2019 “Tetibolam-panjakana” hampiasaina amin’ny taona ho avy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara

 

 

 raha tsy nampiantsoan’izy ireo hiresaka aminy mivantana teny Tsimbazaza ny minisitry ny vola sy ny tetibola ankehitriny. Tonga  teny amin’ity lapa ity araka ny fampiantsoan’ireo solombavambahoaka azy omaly alarobia maraina Rtoa  Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa ka nanodidina ny ora roa sy sasany teo no nifampiresahany nihiboka tamin’ireto depioten’i Madagasikara nanodidina ny 80 isa latsaka kely tany ho any dia lasa izy avy eo. Tsy nisy anefa  ny famelabelaran-dRtoa minisitra nandrasana sy adihevitra mikasika an’ilay volavolana tetibolam-panjakana ity fa  lasa nivoaka ny efitrano fivoriana izy taorian’ny dinika nihiboka natao ka ny SG-ny no  namaky fotsiny an’io volavolana tetibola io nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 2 ora 30.sy nilaza ny hoe :  « Hoezahina hampidirina tsara ny volam-panjakana eto amintsika amin’ny 2019 ary hoezahina hatao tsara koa ny fandaniana azy … amin’ny asa sosialy ». Tsy nisy intsony ny fiadian-kevitra nifanaovana niaraka tamin’ireo  solombavambahoaka izay tsy nisy afa-tsy tany amin’ny 20  tany sisa nanatrika an’izany. Ny filohany rahateo koa efa lasa fa ny filoha lefitra Hanitra Razafimanantsoa no nitarika ny fivoriana tamin’io harivan’ny omaly alarobia 21 novambra 2018 io. Tapaky ny rehetra kosa anefa fa anio alakamisy 22 sy rahampitso zoma 23 novambra no hanatanterahana ny asam-baomiera handinihana an’ity volavolan-tetibolam-panjakana 2019 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT