Politique

Teti-dratsy amin’ny fifidianana Novakian’ny SAMARITANA bantsilana


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Namaky bantsilana ny kajikajy politika maloto katsahina hatao amin’ny fififidianana ny fikambanana SAMARITANA na Sahy Marina Tia Tanindrazana:

 

 

 olom-pirenena mandray andraikitra mba hanjakan'ny fahamarinana, izay manohana ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana omaly. Adidy iraisana amin’ny tanindrazana ny mamaky bantsilana ireo endrika tsy fahamarinana efa nolazain’ny sasany ihany, ary katsahina mbola haverina amin’ity fihodinana faharoa ity, hoy ny Pasitera Roger Randriamisata. Endriky ny tsy fahamarinana maro no efa natao sy mbola hokasain'ny kandida iray atao mialoha sy mandritra ary aorian'ny fifidianana, hoy ny fikambanana SAMARITANA. Hita ary hananana porofo ny fampiasana "Specimen" mba ahazoana bileta tsy nampiasaina mba havadika ho bileta voamarika (X) mialoha. Tao ihany koa ny fanaovana "bourrage d'urne" izany hoe natakalo ilay "urne", tany amin'ny faritra Marovoay. Misy ny finiavana tsy hizara ny karatry ny mpifidy ary misy olom-boafidy manangona ireny karatra tsy nozaraina ireny. Maro raha tanisaina ny endrika tsy fanarahan-dalàna nataon'ny kandida iray nandritra iny fifidianana fihodinana voalohany iny. Araka izany, nanangana ilay antsoina hoe "Comité de vigilance" ny fikambanana hanara-maso mialoha, mandritra ary ao aorian'ny fifidianana amin'ny 19 desambra ity mba hiarovana ny fahamarinana sy ny safidim-bahoaka. Manainga ihany koa ireo tompon'andraikitra eto amin'ny firenena indrindra ny Praiministra sy ny Minisitry ny atitany mba tsy hiandany na amin'iza na amin'iza satria nambaran’izy ireo fa misy olom-panjakana mihitsy no manao ny teti-dratsy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT