Misy amin’izao fotoana ny totoafon-tserasera ezahana atao mba hampisongadinana indray ireo olona namotika ny firenena, noho ny fanonganam-panjakana natao teto ka nitarika ny fijoroan’ny fitondrana tetezamita (2009-2013).
Tsara ho fantatra ihany anefa ary tsy fanadino mihitsy ny zava-nisy sy nitranga tamin’izany. Misy santionany vitsivitsy ireto. Ny 68%-n’ny Malagasy no nosokajiana fa sahirana na mahantra tamin’ny taona 2009, izany hoe ny fotoana nanonganana ny fitondrana Ravalomanana. Ny taona 2013 nifaranan’ny fitondrana tetezamita dia tafakatra 83 %-n’ny Malagasy no nosokajiana fa mahantra. Teo amin’ny resaka ara-bola indray dia miteny ny tarehiimarika satria raha 2.500 ariary ny 1 euro tamin’ny 2009 dia lasa 3.089 ariary tamin’ny 2013 nifaranan’ny tetezamita. Mazava be ny resaka eto fa nitotongana ny vola Malagasy, zavatra tsy dia mahagaga loatra satria maro no very asa, maro ny orinasa potika, nihena be ny famatsiam-bola sy fiaraha-miombon’antoka avy any ivelany. Niteraka avy hatrany fidangan’ny vidim-piainana io ary vao miha nampitombo ny fahasahiranana isan-tokantrano. Tsara homarihana fa voafidy ho firenena modely amin’ny ady amin’ny fahantrana i Madagasikara ary efa tena nanomboka nisongadina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Mety ho tsy tsikaritry ny maro na nohamaivanin’ny sasany ny fisian’ireo horonantsarimiaina Madagascar, tena nampalaza an’i Madagasikara sy nanatsara ny fahitan’izao tontolo izao azy, mbola nampian’ny fanehoana an’i Madagasikara tao anatin’ilay sarimihetsika Malaza James Bond (Casino Royale) ny taona 2006, kanefa porofo mivaingana ireny fa efa tena nanana ny toerany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny firenena Malagasy ary tsapan’izao tontolo izao fa nisy zavatra nihatsara sy nivoatra. Saingy tonga moa ny fanapotehana manara-penitra ny taona 2009, ary dia niverina indray ny fisamborana ny fanapenam-bava ireo izay sahy nijoro nilaza ny zava-misy marina. Maro be ireo mpomba an’i Marc Ravalomanana no nenjehina, nosamborina ary nogadraina. Niharan’ny haza lambo sy fandrahonana mavaivay isan-karazany ihany koa, ohatra, ny Tangalamena Zakariasy Patrick noho ny fahasahiany namaky bantsilana ny trafikana hazo sarobidy nisy teto. Tsy azo adinoina ny fitifiran’olona teny Ambohijatovo tao anatina fanehoan-kevitra milamina, ny fanakatonana haino aman-jery sy fanagadrana mpanao gazety… Tsy afaka manadio tena, tsy afa-miala amin’io fanapotehana firenena io i Andry Rajoelina, izay hatramin’izao dia mbola voasokajy maneran-tany fa mpanongam-panjakana. Re aza fa misy raharaha momba azy mety hanokafan’ny fitsarana frantsay fanadihadiana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.