Politique

Teny amin’ny Magro i Dada Vita ny tolona, mitohy ny asa


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015

Nifarana tanteraka ny hetsiky ny zanak’i Dada eny amin’ny kianjan’ny Finoana-Magro Behoririka. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy izany teny an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana mivady notronin’ireo mpitarika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana

sy ny vahoaka maro be efa ho manodidina ny 3000 teo ho eo. Dibo-kafaliana ny mpitolona teny amin’ny Magro tamin’io sabotsy niavaka io. Faly dia faly ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana. « 6 taona katroka 21 martsa 2009- 21 martsa 2015, tsy nifankahita tava isika. Tsy kisendrasendra na fifanandrafian-javatra izany fa lahatr’Andriamanitra amin’izao fotoana izao mialoha ny paska satria ny 80%-n’ny asa dia ataon’Andriamanitra fa ny 20% ihany no asan’ny olombelona ».

Vahoaka hendry

Araka ny fanazavany dia niangavian’ireo mpiara-mivory ao anatin’ny zotram-pampihavanan’ny FFKM Atoa Ravalomanana mba hampitsahatra amin’izay ny hetsika isan’andro eny amin’ny Magro. Nisaotra ireo nitolona i Dada ary nanambara fa mila miverina miasa amin’izay mba hikarakara ny tokantrano ny tsirairay. Ny hetsika eto amin’ny Magro no mijanona, hoy izy fa isika miasa miaraka foana. Tsy maintsy tanterahantsika hatramin’ny farany ny fampihavanam-pirenena hoy i Marc Ravalomanana. Zava-dehibe ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy ny fifankatiavana, fifampatokisana sy fanantenana, hoy izy. Nohazavain’i Marc Ravalomanana fa tsy mbola misy mihitsy ny fanampiana azon’i Madagasikara hatramin’izao, ka aleo isika mijanona sy miasa tsara amin’izay, sao sanatria isika indray no heverin’ny olona fa mampikatso ny fahatongavan’ny fanampiana, ary sao dia izay ihany koa no mahatonga ilay hoe :tsy miady, tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Am-pitoniana sy am-pahendrena tanteraka no nandraisan’ny vahoakan’i Magro io fanambarana ofisialy ny fampitsaraharana ny tolona io ary tena nidera azy ireo amin’izany fahendrana izany Atoa Marc Ravalomanana, izy izay nanome toky fa mbola hihaona tsy ho ela amin’ireo mpanara-dia azy.

Tolon’ny finoana
Niavaka raha samy tolona teto Madagasikara ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana, ary azo atao mihitsy hoe sangany maneran-tany satria tsy fahita firy izany hoe olona na fikambanana antoko politika nahavita nivory sy nanao fitakiana tao anatin’ny 6 tona, ary manao hetsika isan’andro.Tsy tongatonga ho azy ilay hoe kianjan’ny Finona fa mifono zava-dehibe ary taratr’ilay filôzôfian’i Dada, nalaina tamin’ny soratra Masina manao hoe :  « Aza matahotra Minoa fotsiny ihany ». Nosedrain’ny Magro ny fanenjehana, fanagadrana, lasa fanampin-tsakafo tamin’ny fotoan’ny tetezamita ny lakrimôzenina, tsy resahana intsony ny tsindry sy fandrahonana isan-karazany mahazo ireo mpitolona. 
Tsy nanenenanay ny zava-bitanay satria hita izao fa tena nody ventiny ny rano nantsakaina, tafody an-tanindrazana i Dada, ary hitarika antsika amin’ny fanavotana ny firenena,  hoy ireo mpitolona tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny Behoririka ny sabotsy teo.


RHR/Ntsoavina Evariste/RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT