Nanao fanambarana sy nilaza ny zavatra tokony ho fantatry ny vahoaka Malagasy teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 omaly.
Isaorana an’Andriamanitra satria mbola nomeny fotoana hahafahana mitafa sy miresaka, hoy izy. Tonga ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra matotra sy hentitra ho amin’izay hoavin’i Madagasikara. Efa ho 9 taona izao no niandrasantsika an’ity fifidianana ity, ka fantatro tsara fa samy vonona ary manantena isika fa hitondra antsika hivoaka amin’izao fahasahahiranana izao io, hoy i Marc Ravalomanana. Raha voatery niala teto Madagasikara izy tamin’ny taona 2009 ka nihazo an’i Afrika Atsimo, dia dia nampahatsiahy fa niaina ny fanavakavaham-bolonkoditra, ka niala tamin’izany izy ireo ary afaka nampandroso ny fireneny taty aoriana. Nahitana anatra sy lesona betsaka izany. Maro ny endrika fihantsiana ataon’ny mpifanandrina amiko ankehitriny. Tsy ela akory fa vao andro vitsy izay tany Ambalavao, dia ny toerana hikabariana sy hihaonana amin’ny vahoaka no norakofan’izy ireo ireny « poster » ireny sy nasiany ny sainany. Tsy mendrika ny vahoaka Malagasy ireny fihetsika ireny ary tsy misy fanajana. Misafidy ny andalan-tsoratra masina nosafidian’ny Kardinaly Desiré Tsarahazana ho hafatra ho an’ny rehetra izy dia ny hoe: “Aza manaiky resen’ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy” Rom 12:21. Andao hiombona sy hihavana satria tokana ny tanjona dia ny hampandroso an’i Madagasikara. Raha nilatsaka ny hofidiana aho, hoy izy, dia efa tena niomana sy niezaka fatratra ny hahita ny fomba rehetra hampandrosoana an’i Madagasikara. Zava-dehibe ny: fampihavanam-pirenena, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, hamorona asa hampiakarana ny faripiainan’ny Malagasy, hijery ny tanora sy ny vehivavy,… Raha tsy misy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra dia ho sahirana ny vahoaka maro an’isa, hamboarina ny lalana … Ny traikefa ananako sy fahalalana hitako tetsy sy teroa, indrindra fa ny “leadership” izay nomen’Andriamanitra ahy ho talenta dia tena hampiasaiko mba hoentina hanavotana ity firenena malalantsika ity, hoy i Marc Ravalomanana. Hamafisiko fa ao anatiko ao tena mangetaheta ary maniry ihany koa raha maniry ny mba hahafahantsika mianakavy miasa miaraka. Aoka re ny fihantsiana etsy sy eroa, ny fankahalana mba hipetraka ary hijoro sy hilaza amin’ny vahoaka ny tena marina, hoy ny teny feno fahendrena nataony. Rakotra vahoaka feno fanantenana sy vonon-kampandresy ny toerana nolalovany omaly tany Alaotra:
Manakambahiny Andrefana, Imerimandroso, Tanambe, Morarano Chrome … Tany Betatao (Anjozorobe), Ambohibary Sambaina (Vakinankaratra) … ihany koa izy. Anio dia hihazo an’i Manjakandriana, Ankazobe, Fenoarivobe, Tsiroanomandidy, Mandoto Miandrarivo, Soavinandriana, Miarinarivo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.