Raharaha iray anisan’ny mitana ny sain’ny maro eto an-drenivohitra ny fitsarana ireo antontan-taratasin’ady itorian’ny Freedom ny Tiako i Madagasikara mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay 2015.
Ny fisian’ilay soratra “Neny” teo amin’ny bileta tokan’ny TIM nampiasaina tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra no mamaky loha an’ny Freedom, izay nandrotsaka an’i Lalatiana Rakotondrazafy ho anisan’ny kandida nifaninana tamin’io. Mikiribiby fatratra ny hanafoanana ny vato azon’ny kandidan’ny TIM Lalao Ravalomanana sy ny hanilihana an-daharana an’ity farany izy ireo. Henika azy eny amin’ny gazety sy amin’ny haino aman-jery sasantsasany.
Ny zavatra voamarika aloha dia ity kandida ity irery no manan-kolazaina sy hotantaraina ary hororitina amin’ireo valo mianadahy nifaninana tamin’i Lalao Ravalomanana tamin’iny fifidianana in-dray mitoraka iny. Izy fito dia efa samy miaiky fa tafita i Neny, izay no vokatry ny safidim-bahoaka na nisy indro kely aza tamin’ny lisi-pifidianana noho ny tsy nahatafiditra tao anaty lisitra ny mpifidy sasantsasany. Lesoka izay niraisan’ny fari-pifidianana 1 695 nanerana ny Nosy.
Ny vahoakan’Antananarivo ihany koa dia efa samy resy lahatra fa i Neny no Ben’ny tanàna, ary miandry ampitoniana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, hivoaka amin’ny zoma 18 septambra raha ny tetiandro efa nivoaka.
Ka inona ary no mampisisika an’i Lalatiana Rakotondrazafy ? Zony aloha ny mitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana miala nenina, fa ny mazava dia maniry mafy ny mba ho Ben’ny tanàna izy. Mety ho lalana ny ao amin’ny Fitsarana fa raha ny resaka mandeha any an-dalatsara dia manao pi-maso amin’i Hery Rajaonarimampianina ity kandida ity sy ireo manodidina azy, ary mitady ny fomba rehetra hahafahana mihaona mifandamina. Tsotra ny paikady ao anatin’izany : vonona ny hiala amin’i Andry Rajoelina i Lalatiana Rakotondrazafy ka hiara-dia amin’ny filoha ankehitriny raha manaiky hanilika an-daharana an’i Lalao Ravalomanana ity farany. Mangina tsy andrenesam-panazavana momba io ny ao an-dapa. Manaiky sa manampin-tsofina no dikany ? Fa etsy an-kilany, raha ho izay tokoa no fiafarany dia misy tsy mena-mivadika mihitsy eto rehefa te ho lany mafy. Ny amin’ny 18 septamba no hamaritra izany. Fa ny mazava aloha hatreto dia ho sarotra ny hanafoana ny vaton’i Neny.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.