Politique

Tavandra Albert Kandida mandala ny fampandrosoana haingana sy mahomby


  • Talata 26 Mey 2015

Miandrandra sy manantena fampandrosoana ny mponina ao an-drenivohitr’i DIANA hamerenana ny hasin’ny Kaominina, hoy ny kandida Ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara Tavandra Albert.

 

Paikady voalohany hiatrehana izany ny fanatonana ny vahoaka ifotony miaraka amin’ny fitiliana ny filan’izy ireo. Betsaka ireo asa tsy tontosa ao Antsiranana I ahatongavana amin’io tanjona io. Laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa toy ny fanamboarana ireo lalana ratsy miaraka amin’ny ny fanorenana tsena, trano fidiovana sy fanasan-damba manakaiky ny mponina. Ezaka tsy maintsy jerena ihany koa ny mahakasika fiainan’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny, toy ny fanadiovana ny tanàna maloto, ny sehatry ny fanabeazana ary ny fampitaovana jiron’ireo fokontany mbola miaina ao anaty haizina. Fanamby hapetraky ny kandida TIM Tavandra Albert moa ny hiasa haingana sy mahomby ho fampandrosoana ny tanànan’Antsiranana I.

 

Ramano F. 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT