Politique

Tatitry ny Banky Iraisam-pirenena Difotry ny kolikoly ny Fitsarana, marefo ny Fanjakana


  • Zoma 04 Septambra 2015

Tsy mbola ho rahampitso no hahazoantsika ny fahatokisan’ny Banky Iraisam-pirenena. Nanao tatitra momba an’i Madagasikara tamin’ny volana aogositra izy ireo ka nambarany fa marefo ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina ary manaporofo izany ny tsy ahafahan’izy ireo mametraka ny atao hoe :

 

 Fanjakana tsara tantana hatramin’izao sy ny fisian’ny kolikoly mahatsiravina eo anivon’ny Fitsarana izay tsy mampihatra ny fahamarinana akory eo amin’ny fampiharana ny lalàna, hoy hatrany ny tatitra.

Misy antony ara-politika ihany koa ny mamparefo ny fanjakana ankehitriny dia ny fidiran’ny miaramila amin’ny fanatanterahana ny fifandimbiasam-pahefana ara- politika eto Madagasikara. Etsy ambonin’izay anefa izay fanjakana tafajoro eo dia tsy mahay mitsinjo akory ny tombontsoan’ny besinimaro fa toa lasa miaro ny tombotsoan’olom-bitsy mahay taratasy sy notsongaina fotsiny.

Anisan’ny mahatonga ny mamparefo ny fanjakana malagasy ihany koa, araka ny tatitra, ny tsy fahaizana mitsinjara ny fanapariaham-pahefana tena izy sy ny fizarana amin’ny ara-drariny ny otrikarenan’ny Malagasy amin’ny mpiray tanindrazana rehetra.

Variana miaro tombontsoan’olom-bitsy

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fifamonoana, tsy an-tsaha tsy an-tanàna. Ary manaraka izay ny firoboroboana tampoky ny fiharian-karena tsy ara-dalàna.

Tsy any amin’ny zavatra tena ilain’ny maro an’isa no afantoky ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina ny heriny fa variana miaro tombontsoan’olom-bitsy fotsiny. Tsy ampy vola ny fanjakana kanefa izay kely ananana indray lany andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana izay tena tsy ahitana vokatra mivaingana tsara akory. Izany hoe be loatra ny milaza azy ho mpiasam-panjakana andaniam-bola kanefa tsy mamokatra ho an’ny Fanjakana akory.

Etsy an-daniny dia hitan’ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy mety koa ity vola be dia be lany amin’ny fanentsenana ny vidin’ny solika ity, hany ka ny mpandraharaha vahiny amin’io sehatra io no matavy. Mbola lava ny lisitra fa namehezany azy dia nanambara ny Banky Iraisam-pirenena fa tokony hapetraka ny Fanjakana vonona hiady amin’ny kolikoly sy tena mahafeno tanteraka izany hoe : Fanjakana manaja ny fanapariaham-pahefana izany ka samy hahazo ny anjara tandrify azy ny faritra tsirairay. Mampanantena ny mbola hanoro hevitra lalindalina kokoa amin’ny fomba izay heveriny fa mety amin’ny fomba handrafetana ny fitondrana eto Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny tatitra hataony amin’ny manaraka.

Andry Ratovo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT