Politique

Tata Randrianambinina Kandida tanora vonona handray andraikitra


  • Alarobia 27 Mey 2015

Miisa 3 ireo kandida Ben’ny tanàna hifaninana ao an-tampon-tanànan’i Farafangana ny 31 jolay 2015 izao.

 

 Anisan’izany ny mpanao gazety Tata Randrianambinina narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara. Kandida vonona handray andraikitra sy matoky tena ary manana herijika handrombaka ny fandresena ny lehilahy, araka ny resaka nifanaovana taminy. Tombony voalohany ho azy ny maha kandida tanora ny tenany. Eo ihany koa ny fahafantarany amin’ny antsipirihany ity Kaominina renivohitra nandaniany ny ampahany betsaka tamin’ny fiainany ity. Tian’i Tata Randrianambinina hoentina ny fitantanana marina sy mangarahara izay tsy hita taratra hatramin’izay. Asa hotanterahany maika ny fanamboaran-dalana miaraka amin’ny fisitrahan’ny Kaominina ireo zava-tsoa ateraky ny fampiasana solosaina. Tantara mampitovy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy Farafangana Renivohitra hatrany ny fandresen’ny antoko tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana foibe, hoy ity kandida Ben’ny tanàna TIM ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT