Mivory eto Antananarivo ankehitriny ny Eveka Katolika manerana ny nosy. Nandefa taratasy misokatra eto amin’ny gazety, ao anatin’izany, ny mpino Katolika vitsivitsy manaraka ny toe-draharaham-pirenena.
“Tsy sanatria mitsara na manendry azy ireo izahay, hoy ireto mpino Katolika ireto fa mandefa soso-kevitra fotsiny mba handinihan-dry zareo ny zava-nisy marina teto Madagasikara nanomboka tamin’ny Repoblika voalohany. Ny tena tiana ahatongavana, hoy ireto mpino mahatoky ireto, dia ny hamadibadihan’ireo mpitondra fivavahana mivory ankehitriny ireo fa ny mpitondra fanjakana nitantana ela sy naharitra indrindra teto amintsika ka anisan’ny nahatonga izao zava-misy eto amin’ny firenena izao dia saika mpino katolika avokoa toa an’ny filohan’ny Repoblika voalohany Philibert Tsiranana (am-polony taona), ny filohan’ny Repoblika faharoa Didier Ratsiraka Ignace (am-polony taona vitsivitsy), ny filohan’ny Repoblika fahatelo tapany voalohany Zafy Albert. Saika tsy dia naharitra kosa ny fitondrana nentin’ny mpino protestanta toa an’i Richard Ratsimandrava, Norbert Lala Ratsirahonana, Ravalomanana Marc (7 taona). Raha lazaina fa samy nitondra ny anjara birikiny avy tamin’ny fanimbana ny fiainan’ny Malagasy izy ireo dia azo ambara, fa nahavita bebe kokoa tamin’izany ireo mpitondra katolika. Koa amin’izao fieken-keloka anatin’ny fampihavanam-pirenena izao dia mihevitra izahay mpandefa taratasy ireto fa tokony handinika ao anatin’ny fivoriana ataony ireto Eveka katolika ireto ny amin’ny hanaovany fifonana mivantana sy ampahibemaso noho ny nataon’ireo mpitondra avy amin’ny finoana misy azy ireo tamin’ny vahoaka malagasy hatrizay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.