Politique

Tapi-dalan-kaleha ny fitondrana Miantso vonjy amin’ny vahiny


  • Talata 08 Mey 2018

Tsy misy fanantenana firy ho an’ny fanjakana Rajaonarimampianina intsony amin’ny mbola hitantanany ny tany sy ny fanjakana na ho ela na ho haingana. Mety hahavita ny fe-potoam-piasany ihany angamba raha maharitra 5 volana,

 toy ny tamin’ny  2002 na 4 volana toy ny tamin’ny 2009 ny tolona misy ankehitriny.  Mazava ny tanjon’ny depiote dia ny fialany, efa velirano natao tamin’ny vahoaka io. Tsy misy hatokona sy tsy mahafehy firenena intsony kosa ny fanjakana sokajian’ireo depiote ho fanjakana mpanao kolikoly. Misy mihitsy aza no somary mahery fiteny ka miteny hoe “fanjakana dahalo”. Raha ny zava-nisy  tamin’ny hetsi-panoherana teto amintsika, na nisy aza ny fihetsiketsehana sy fanalana filoha iray, toa an’i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009, ohatra, dia nisy hatrany ny herivelona niaro azy ary tsy menatra tamin’izany. Ny HVM kosa io iaraha-mahita mihanjahanja tanteraka io, hany ka toa misitri-belona ny ataon’ny ankamaroany fa tsy dia misy miaro ny foto-keviny intsony. Vao mainka naman’ny resy tanteraka rehefa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàm-pifidianana. Loza mitatao ho an’ny filoha sy mbola andrasana ny valin’ny fangatahana ny fialan’ny filoha. Ny fidirana an-tsehatry ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sisa fara-fanantenan’ny HVM rehefa dinihina ny raharaha. Iretsy farany anefa, toa tsy mbola te hiditra lalina ary mivoy ny fifandaminan’ny samy Malagasy. Ny depiote mpitari-tolona ihany koa etsy an-kilany toa malailay fonosana tsy te hahalala izany, ary mametraka ny ahiahiany, ka mbola notsiahivin’ny solombavambahoaka teny Analakely omaly ny fanelanelanana nataon-dry Joaquim Chissano sy ny tariny, anisan’ny tena namotika ny firenena, raha ny fanehoan-kevitra. Ekena fa tsy afa-miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika, saingy manana ny fiandrianany. Inona no hitranga raha hiziriziry amin’ny heviny hatramin’ny farany ny depiote hoe aleo aloha hiala ny filoha vao mandeha ny resaka ? Misy ny fifanarahana natao ny 18 aprily 1961 tany Vienne Autriche na ny “convention de Vienne”, mifototra  betsaka amin’ny fanajana ny fiandrianan’ny firenena iray sy ny tsy fitsabahan’ny vahiny. Eto rahateo tsy misy resaka ady an-trano na fifamonoana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT