Politique

Taona 2018 Ireo daty manan-danja teo amin`ny tontolo politika


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Ora sisa dia hivalona ny taona 2018 ka indro fantaro ireo daty nanan-tantara teo amin`ny firenena indrindra teo amin`ny tontolo politika:

 

 

 

25 janoary : « Fisandratana 2030 », io no vinan`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Programan`asa nokasainy hampiharina ho amin`ny dimy taona raha toa ka mbola ho lany ho filoham-pirenena.

 

26 janoary : Tany Parisy, Andry Rajoelina no nitondra famelabelarana ny vinam-piarahamoniny, Initiative Emergence Madagascar (IEM) ary maro no tsy nankasitraka izany satria miendrika ho fivarotana tanindrazana sahady.

30 martsa : Fivoriana tsy ara-potoana teo amin`ny parlemantera HVM natao teny amin`ny hotely Paon d`or. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tseratsera sosialy ny porofo sarimihetsika, naneho ireo depiote nandany ireo volavolan-dalàna ireo, nandray vola tamin’ny baoritra teny amin’ny Paon d’Or Ivato. Misy hita mihitsy ny sarin’ireo depiote nandray ny volabe, misy fantatra amin’ny alalan’ny feony izy ireo, nizara sy nandray ireo volabe.

3 aprily: Tao anatin’ny kolikoly sy ankerisetra ny fandaniana ny lalam-pifidianana fototra sy ho an’ny filoham-pirenena ary ny ho an’ny Solombavambahoaka izay nolaniana amboletra. Ireo Solombavambahoaka 97 izay nandany azy dia noheverina notambazana vola 50 tapitrisa Ariary isam-batanolona, izay nohapangain’ireo namany 73 fa kolikoly avo lenta. Ireto farany anefa niapanga fa tsy ampy 79 ireo nandany ny lalàna fehizoron’ny fifidianana, satria mihoatra lavitra ny isa izany raha efa tsy ao ireo tsy tonga sy nandefa iraka any ivelany ary ireo mpisolo ny efa nodimandry izay tsy mbola tafapetraka. 

21 aprily : Ny tena fototry ny olana dia ny kolikoly nisy teo amin`ny Antenimieram-pirenena ka nidina teny amin`ny lapan`ny tanàna ny depiote 73 naneho ny heviny. Marihina fa nisy ny ra nandriaka satria olon-tsotra roa no namela kamboty. Ny 24 aprily,  nanizingizina ny solombavambahoaka TIM Hanitra Razafimanantsoa, fa ny fanovana ny andalany faha-47 amin’ny lalàmpanorenana no tena isehoan’ny fitiavan-tenan’ny mpitondra ankehitriny izay tsy mety hametra-pialana nefa sady te hirotsaka hofidiana.

 

11 mey : Voasonian`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny didy mampanan-kery an`ireo lalàna fehizoro mifehy an`ireo fifidianana eto amintsika: fifidianana filoham-pirenena, fifidianana solombavambahoaka ary fitsapan-kevi-bahoaka. 

04 jona : Ntsay Christian no tendren`ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, ho praiminisitra vaovao. Ny didim-panjakana 2018-519 no nanendrena an’ity praiminisitra vaovao kanefa didim-panjakana 2018-528 no nanesorana ny praiminisitra teo aloha.

11 jona : Nijoro ny governemanta Ntsay christian

1-21 aogositra : Niisa 46 ireo kandidà no tonga nanatitra ny antontan-taratasy ho filoham-pirenena ka 36 amin`ireo ihany no nankatoavin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.  

17 oktobra : Nidoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora i Pety Rakotoniaina, iray tamin’ireo mpitarika ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony (HFI), taorian’ny nisamborana azy tany Camp Robin ny talata takariva teo raha saika hihazo an’i Fianarantsoa.  Nakarina avy hatrany taty Antananarivo ary notazonina teny amin’ny Toby Ratsimandrava izy omaly, ary nalefa eny am-ponja ny hariva. Fananganana fanjakana ao anaty fanjakana sy fanohitontohinana ny filaminana anatiny no voalaza fa anisan’ny niampangana azy.

07 Novambra: Niroso tamin`ny fihodinana voalohany ny fifidianana filoham-pirenena. Maro ireo lesoka hita indrindra ny teo amin`ny lisim-pifidianana… Tsy navela nanefa ny adidny ny olom-pirenena.

 

19 Desambra: Ady lalao niverina teo amin`i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelilna nandritra ny fihodinana faharoa kanefa lisi-pifidianana tsy izy no hohatsaraina, kara-pifidianana 12 tapitrisa sy kara-panondrom-pirenena dimy hetsy natota nampiahiahy, ny fampihantsiana teo amin`ny mpomba ny roa tonta teo anivon`ny fiarahamonina, ireo olom-pirenena maro tsy afaka nifidy, fividianana biraom-pifidianana, kolikoly avo lenta… Maro ireo porofo sy fitarainana nentin`ny mpanara-maso eto an-toerana sy vahiny.

29 desambra : Sokajiana ho kihon-dàlana lehibe ho an’ny tantara sy hamaritra ny ho avy politika ato ho ato ny fanombohan’ny hetsiky ny 13 mey nanomboka ny andron’ny sabotsy teo, nijoroan’ny vahoaka hiady amin’ny tsy marina sy ny hosoka ara-pifidianana, ary antso avo ho an’ny HCC ihany koa mba hahasahy hijoro ka tsy hanaiky lembenana eo anatrehan’izany.

 

 Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT