«Nahazo iraka tsy maintsy hisambotra izahay androany». Izay no ambaran’ity polisy iray anisan’ireo nirahina hisakana ny fidiran’ireo olona tonga hihaino ny tatitra nokasain’ireo solombavambahoaka
Tiako I Madagasikara hatao tao amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny sabotsy 18 oktobra 2014 teo. Manamarina ny zavatra notenenin’ilay polisy ny fihetsik’ireo Emmo-Reg tenyAmbohijatovo sy Analakely ary ireo nifamoivoy tamin’ny fiara 4x4 eran’ny tanàna izay hita ho nivonona hisambotra. Ny tovolahy iray tamin’ireo telo voasambotra io sabotsy io, ohatra, dia nosamborina niainga tamina tondro molotry ny 4’Mi fotsiny. Fihetsika izay nahagaga ny maro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.