Resaka mba te halaza ny an’ny mpitondra ny filazana fa tany tan-dalŕna i Madagasikara. Hafa ny lazain’ny vavany nefa hafa ny zavatra tanterahiny. Mazava izao ny voalazan’ny lalŕna laharana faha 2011-014 tamin'ny 28 desambra 2011 ampidirana ny tondrozotra ao amin'ny antanantohatry ny lalŕna anatiny.
. Raha tsorina dia lalàna ny tondrozotra. Ny andininy faha-20 amin’io tondrozotra io dia milaza mazava ny hamelana malalaka ireo sesitany politika, anisany ny filoha Marc Ravalomanana, hody tsy misy fepetra eto Madagasikara. Diso toerana, araka izany, ny adihevitra mikasika ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Ny mahagaga anefa dia milaza indray anefa ny praiminisitra Kolo fa miankina amin’ny filohan’ny Repoblika izany. Ity farany moa rehefa anontaniana dia manodina resaka fa ny Malagasy 20 tapitrisa, hono, no laharam-pahamehany. Ka handika sy hanosihosy lalàna velona ve izany ? Miainga any ambony ny ohatra, ka raha ny mpitondra indray no mandika sy manosihosy ny lalàna, dia hatao mahagaga ve raha manjaka ny jiolahy na ambony latabatra na any an-tsaha !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.