Miantso ny tanora sy ireo sokajin’olona tsy an-kanavaka rehetra eto amin’ny distrikan’i Moramanga RN 2 vonona hiara-dia amin’ny K 25 ny tanora TIM ao
amin’ity distrika ity izay tarihan-dRandrianantenaina Lala Yves mba handray andraikitra amin’ny fandehanana mavitrika hifidy amin’ny alarobia 19 desambra izao mba hanarenana ny firenena Malagasy niniana nalatsaka anaty fahantrana nanomboka tamin’ny taona 2009. Tsy havelantsika hoviravirain’ireo mpanimba firenena intsony ity nosy mamintsika ity ka andao hiaradia hiaraka handrotsaka tsirairay avy ny vatontsika ho an’ny kandida Marc Ravalomanana lah 25 amin’io 19 desambra 2018 io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.