Miantso ny vahoaka malagasy mba tsy horebireben’ny mpanongam-panjakana intsony izahay tanora TIM, hoy Rasoarimalala Herinavalona sy Harisoa ary ireo namany teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka,
ary indrindra indrindra miantso ny tanora rehetra tsy an-kanavaka hijery ny hoavin’ny firenena satria potika tanteraka ny fiharian-karena eto Madagasikara ankehitriny raha tsy hitaratra afa-tsy ny mahazo ny lalana eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao fotsiny isika. Mila mpitarika manana traikefa sy vonona hampandroso marina an’ity tanindrazana ity ny vahoaka ka izay no mahatonga anay tanora TIM hijoro sy hiaraka hatrany amin’ny prezidà Marc Ravalomanana izay efa niarahanay hatramin’izay moa ka mbola hiarahanay hatramin’ny fifidianana ho avy ary amin’izay fotoana rehetra hiantsoana anay koa. Voataiza tamin’ny soatoavina mandala ny ara-dalàna sy ny firaisankina ary fanajana raiamandreny izahay nandritra ny 6 taona teto amin’ny kianjan’i Magro ka lalan-kevitra hoentinay hanarenana ity firenena ity izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.