Politique

Tanora TIM boriborintany faha-VI Hisokatra ny 3 septambra ny “cours gratuit"


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Mitondra anjara ny anjara birikiny amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona ny Tanora Tiako i Madagasikara. Maro ny hetsika efa nataon’ny tanora TIM eny amin’ny boriborintany faha-6,

  izay tarihan’ny filohany Lalaina Rabezanahary mpikambana zandriny  indrindra ao amin’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo  Renivohitra. Efa nisy ny fanentanana natao nanampiana ireo vahoaka  teny amin’ny boriborintany faha-6 tamin’ny fanampiana ny vahoaka   amin’ny fijerena ny lisi-pifidianana, ny fandraisana anjara amin’ny fanadiovana ny tanàna … Fa amin’izao ankatoky ny fanadinam-panjakana bakalorea izao dia manao hetsika hanalana  fahasahiranana ny mpianatra  indray  ny  tanora TIM ao amin’ity  boriborintany ity.  Ny 3 septambra izao no hanomboka ny fampianarana maimaimpoana « cours gratuit » ho an’ireo tanora hiatrika fanadinana “Baccalauréat” ka ao amin’ny Lycée Privée Les Rossignols Ambohimanarina no hanatanterahana izany, izay  hanentanana ireo tanora liana. Nanazava i Lalaina Rabezanahary  anisan’ny mpitarika Jeune TIM Analamanga fa  tsy vao izao  izahay  no mikarakara hetsika toy izao fa  efa isan-taona.  Nilaza   ihany koa  ity  farany   fa  hisy   ny « cours » maimaimpoana  ho an’ireo hanala fanadinana CEPE sy BEPC amin’ny taona ho avy io. Tsara ny mifanasoa fa tsy mifamotika e !

Toky R  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT