Vonona ireo Tanora TIM mpanohana an’i Marc Ravalomanana, amin’ny hetsika fanehoana ny firaisankina ho fanohanana azy, ny sabotsy 25 aogositra ho avy izao,
izay hotontosaina ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina manomboka amin’ny 10 ora maraina ary anentanan’izy ireo ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka hanatrika izany. Ny tonga miaraka tokoa no fanombohana, araka ny filamatry ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy ny Filohan’ny tanora TIM Analamanga , Heriniaina Razafindrakoto mikasika ny fihaonambe eny Mahamasina ny sabotsy izao io, satria ela no niandrasantsika izao fotoana izao. Koa hiaraka hientana isika tanora satria isika no nanana vina lehibe nentin’ny filoha Marc Ravalomanana tao anatin’ny Madagasikara Am-Perinasa na ny MAP. Amin’izao dia efa misy ny fiomanana ataon’ny biraon’ny tanora TIM Analamanga amin’ny resaka sorabaventy sy ny hetsika rehetra izay haseho mandritra izany. Tsy misy fizaram-bola io ho an’ny TIM, ary tsy misy tambiny, afa tsy ny fiaraha-misitraka ny fanarenam-pirenena hiarahany amin’i Marc Ravalomanana. Mizara hevitra ho an’ny olom-pirenena hahafahany mandroso, fa tsy mamandrika azy sy hampidi-kizo azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.