Nahaliana ireo tanora Tiako i Madagasikara (TIM) na ny teto an-drenivohitra na ireo avy any amin’ny faritra ny fitsidihana nataon’izy ireo toerana manan-tantara sy ny vakoka malagasy teto Antananarivo omaly.
Tompomarika tamin’izao hetsika izao ny Tanora TIM Analamanga. Natao izao ho fahafantarana ny vakoka malagasy eto Antananarivo ary koa ho fampianarana ny mpiarabelona monina eto an-toerana ny vakoka misy satria toa zary ny vahiny no sisa hany manome lanja izany ankehitriny, hoy ny filohan’ny tanora TIM Analamanga, Razafindrakoto Heriniaina. Tsy vao izao akory ireto tanora TIM ireto no manao hetsika toy izao fa efa fanaony izany ary hiitatra amin’ny sehatra hafa ihany koa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.