Tsikaritra tao anatin’izay telo herinandro nisian’ny fampielezan-kevitra izay fa tena tomefy olona hatrany izay toerana na kaominina an-drenivohitra io ka fokontany kely any ambanivohitra lalovan’ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.
Fa ny hita nisongadina dia ny fahamaroan’ireo tanora, na lahy io na vavy manara-dia ity kandida ity izay raha dinihina dia eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 23 taona eo, izany hoe tena nisy mbola zaza fony fitondrana Ravalomanana (2002-2009) kanefa nahita sy nahatsapa rehefa niaina ny fitondrana tetezamita sy ny fitondrana HVM fa ny miaraka amin’i Dada no mety kokoa ho an’ny hoavin’izy ireo. Etsy an-kilany, ankoatra ilay maha Dada, ray aman-dreny azy dia anisan’ny toetra iray nahasarika ny tanora tamin’i Marc Ravalomanana ilay maha mpitarika (leader) sady mpanoro hevitra sy mpampianatra azy. Ramose moa no anarana fiantson’ireo mpiara-miasa taminy fahiny fony izy mbola filoha tale jeneralin’ny Tiko satria dia tsy misalasala izy manoro sy mampianatra avy hatrany, manoratra sy manao kisarisary mba hanazavana ilay asa na tetikasa iray tanterahana. Tsotra ny fanazavana ary izay no maharesy lahatra ny olona rehetra miresaka aminy na Malagasy io na vahiny afa-tsy hoe olona efa mankahala azy tanteraka angamba. Mifanindran-dalana amin’izay rahateo moa toa mampanonofy sy manao fampanantenana misamboaravoara fotsiny ny kandida sasany, ka nialan’ny tanora tsimoramora satria tsy dia azo antenaina firy hahavita hamaha ny olan’ny tanora eo amin’ny fianarana sy ny asa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.