Nanao antso avo ho an’ireo tanora rehetra manerana ny nosy omaly ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Tanora Hoavin’i Madagasikara (THM).
Ekena fa maro ny ahiahy mipetraka manoloana ny resaka tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny fifidianana, hoy izy ireo. Isika tanora anefa dia mahalala tsara fa miankina amin’ny safidintsika no hahafahana mitsinjo ny hoavintsika. Na eo aza ny resaka mandeha momba ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana dia aoka isika hametraka ny safidintsika ary hahay hifidy izay fantatsika fa afaka hametraka ho avy tsara ho antsika. Tanora samy misaina sy nianatra isika ary ao koa ireo tanora manao asa tena, hoy hatrany izy ireo, ka saino tsara izay kandida afaka hametraka hoavy mety amintsika rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.