Politique

Tanora « Grand sud » Niandrandra kandida tokana


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Fifidianana filoham-pirenena sy ny hamaroan’ny kandida, 36 be izao. Samy miresaka sy manana ny fahitany azy io izao ny olom-pirenena eny fa miaina anatin’ny fahasahiranana aza ny 90%-n’ny Malagasy.

 

 

 Ho an’ireo tanora mpianatra avy amin'ny Faritanin’i Fianarantsoa sy Toliara, mandranto fianarana ao an-drenivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony izao dia hita ho sanganehana manoloana ny hamaroan’ireo kandida filoham-pirenena nivoaka amin’ireo Faritany roa ireo, neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hifaninana amin’ny 7 novambra 2018 izao. Anisan’ireny i Fanirisoa Ernaivo, Ravelonarivo Jean, Razafindraosolo Zafimahaleo na Dama, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara, Jules Etienne Rolland … Nikasa hihaona tamin’ireo kandida zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa sy Toliara izy ireo ny sabotsy 1 septambra teo. Tonga ny kandida Randriamampionona Joseph Martin raha toa ka nandefa solontena ny sasany. Nanao antso avo mba hifandaminan'ny kandida filoham-pirenena avy any atsimo ka hivondrona. Tanora maro ihany koa no nanatrika sy nanohana izany fihaonana izany.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT