Politique

Tanin’ny labatoara Andohatapenaka Hanorenana ny “Village de la Francophonie”


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Mijanona ho tanim-panjakana ny toerana saika hanorenana labatoara tamin’ny taona 2009, hoy ny minisi-panjakana misahana ny fandaharanasan’ny Fiadidiana ny Repoblika Rakotovao Rivo

 

. Efa nomena ny Seimad ny fitantanana azy io izay hiandraikitra ny fananganana fotodrafitrasa hiatrehana ny fihaonana tampon’i Frankofonia amin’ny taona 2016, hoy ihany ny minisitra ny Fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana teny amin’ny Carlton omaly. Hatomboka afaka herinandro farafahatarany ny asa savaranonando hanorenana ny «Village de la Francophonie», araka ny fanazavany. Nohamafisin’ingahy minisitra rahateo ny fahavononan’i Madagasikara handray io fivoriamben’ireo firenena miteny ampahany na manontolo ny fiteny frantsay io amin’ny volana novambra 2016. Nanjavozavo be ihany anefa ny valin-teniny momba ireo dingana amin’ny fiatrehan’ny firenena Malagasy azy io na izany mikasika ny fanombohan’ireo asa goavana toy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao na ny momba ny fanamboaran-dalana tsy maintsy tontosaina. Eny fa na ny tetibola hanatanterahana ireo tetikasa samihafa aza dia natsipin’ity mpikambana eo anivon’ny governemanta  ity any amin’ny tompon’andraikitra misahana mivantana ny fihaonana tampony.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT