Politique

Tandrevaka tamin’ny fifidianana Tsy ho afa-bela ny CENI


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Maika ny hanala ny zioga nitambesatra teo an-tsorony dia ny vokatry ny fifidianana kitoatoa nokarakarainy ny CENI, raha ny fihetsiny nihazakazaka namoaka voka-pifidianana ny herinandro teo.

 

Na dia mihevitra azy ho tsy tompon’ny baolina intsony aza anefa ity vaomieram-pirenena nampisahanina ny fifidianana lazaina fa mahaleotena ity dia azo antoka fa rehefa tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny lalàna dia tsy ho afa-bela eo imason’ny vahoaka Malagasy kosa noho ny tandrevaka izay toy ny niniany natao. Sarotra ny hino fa rehefa mivoaka ny marina rehetra sy ny didim-pitsarana momba ireo hosoka vokatry ny tandrevany dia mbola hijanona eo ihany ireo mpikambana ao anatin’ny vaomiera tarihin’ny filohany, Hery Rakotomanana. Izy rahateo malaza ratsy tamin’ny fampandaniany lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny karnem-pokontany ny taona 2010, fony naha filohan’ny tetezamita ny kandida ho filoham-pirenena farany teo, Andry Rajoelina. Mbola maro amin’ireo mpamakafaka raharaham-pirenena sy mpanao politika aza ankehitriny no miahiahy fa anisan’ireo apinga fototra nanomanan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, izao zava-miseho ankehitriny izao hatramin’ny taona 2009 ny filohan’ny CENI.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT